Foaran’Ambatondrazaka – Nosakantsakanana indray Ravalo

Isambilo

Tonga nitsidika ny Foara Tangorona andiany faha-2 tany Ambatondrazaka omaly ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) Marc Ravalomanana, nisy anefa ny fanakantsakana azy nataon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fitsidihana saika hataony ireo tranoeva mampiranty mandritra izao tsenabe izao. Anisan’ny mampiranty ao amin’ity tsenaben’Ambatondarazaka ity ny orinasa Tiko, ka ny hijery an’izany sy ireo tranoeva hafa no anisan’ny nahatongavany tany an-toerana. Tsy navelan’ireo mpitandro filaminana nanao fitsidihana anefa izy satria hoe tsy mbola nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny foara. Marobe ihany koa anefa no liana tamin’izao fahatongavany tany an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro izao, satria efa elaela ihany ireo mponina any an-toerana no tsy nihaona taminy, ka tafaray ny tia sy ny manina. Izay no anisan’ny tsy zakan’ny vavon’ireo solontenam-panjakana tany an-toerana sy ny mpitandro filaminana ka nahatonga ny fanakantsakanana. Rehefa nisy anefa ny fifampiresahana, niravona ihany ny olana, ka dia afaka nitsidika ireo tranoeva ihany ny Filoha Marc Ravalomanana sy ireo olona marobe. Nisy ihany koa teny antsefantsefany teny ny firesahany mivantana tamin’ireo vahoaka tao amin’ity tsenabe ity. Tao aorian’ny tany Ambatondrazaka, nitsidika ny tany Bejofo i Dada, satria ben’ny tanàna avy amin’ny antoko TIM no mitondra izany Kaominina izany. Ho any Amparafaravola kosa anion y Filoha Marc Ravalomanana sy ireo delegasiona miaraka aminy.