EDITO 15 Febroary – Rajoelina teny amin’ny Rova – Tsy nasiany resaka ny satro-boninahitry ny Mpanjaka very

Radafy

Tsy mbola tonga any amin’ny toe-tsaina sarotiny amin’ny fiarovana ny fananana iombonana ny mponina amin’ny ankapobeny. Ireo zavatra, na fotodrafitrasa aorina dia tsy mateza fa misy manimba na mangalatra mihitsy. Dia tsy miraika amin’izany ny olona maro, toa tsy mampaninona azy na tsy olana ho azy izany. Iharan’izany, ohatra, ny arofanina vy amin’ireny tetezana isan-karazany ireny, ny andrin-jiro toy ny nanjo ireo teny amin’ny digy, ny takela-by manondro lalana sy ireo fampahafantarana samihafa eny amin’ny lalambe eny, sns… Asa aloha raha mba fantatry ny fitondrana ireny toe-javatra ireny sy ny antony mahatonga izany. Mety ho fantany ihany angamba ny zava-misy, fa ny antony mahatonga izany no tsy fantany na iniany ikimpiana. Mety ho fantany matoa hametrahana polisy eny amin’ireo tohatohabato roa malaza eto an-drenivohitra nametrahana andrin-jiro.

Mahatsikaiky ihany aloha hoe polisy, mpitandro filaminana no miambina andrin-jiro, tsy fahita maneran-tany izany, f’angaha izany no asan’ny polisy? Manao ny tsy fanaon’ireo fitondrana nifandimby teo alohany tokoa araka ny ambarany mandrakariva ity fitondrana ankehitriny ity. Izany aloha eo ihany, fa anisan’ny antony iray lehibe mahatonga izao tsy fitandroana ny fananana iombonana izao ny tsy fanekena ho tomponandraikitra sy ny tsy fiheverana fa azy io fananana io. Iaraha-mahita anefa fa tsy manana fomba fiasa maty paika sy mahomby hametrahana izany ao an-tsain’ny vahoaka ny fitondrana. Tsy misy ny fanabeazana ataony hahatsapan’ny vahoaka sy handraisany andraikitra fa azy io zavatra atao eo io. Tsy lavina mety miteny ihany ny fitondrana hanentanana ny vahoaka ny amin’izany, saingy tsy mandeha lalana tsy tafita izany. Ny antony, tsy nanome môdely velively ny vahoaka ho amin’izany ny fitondrana Rajoelina, indrindra izy tamin’ny nitantana ny fitondrana tetezamita. Niaraha-nahita rahateo sy nahalala tsara ny zavatra nataony tamin’ny taona 2009 ireny tamin’ny fitarihana ny vahoaka tsy hivaky loha amin’ny fanapotehana sy fandoroana ny fananana iombonana, ohatra: ny Rnm sy Tvm. Vakoka lafo vidy anefa no tao amin’ireo toerana ireo, fa tsy namakiany loha na ho potika sy kila hotohoton’ny afo any aza.

Mazava loatra, fa sarotra ho an’izao fitondrana izao ny hanentana ny vahoaka ho sarotiny sy hiaro ny fananana iombonana noho izay nataony tany aloha izay. Misy olona, ekipany ihany koa ankehitriny, niray petsapetsa tamin’izany fotoana izany, mbola ao amin’ny fitondrana. Dia izy ireo ve no hiteny amin’ny vahoaka hananatra sy hanome lesona fa tsy tsara ny manapotika sy manimba ny fananana iombonana? Vao andro vitsy izao no nitsidihan’i Andry Rajoelina ny zava-misy eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Tsy azo odian-tsy hita fa nisy nandoro io vakoka an’ny firenena ijoroan’ny maha izy azy an’i Madagasikara io. Seriny dia seriny tokoa izy amin’ny asa hotanterahina eo amin’io toerana io. Mahavariana ihany anefa fa tsy nahenoana teny na kely aza ny amin’ny satroboninahitry ny mpanjaka nisy nangalatra, fa nahoana?

Miankina amin’ny fihetsiky ny fitondrana ny hahatonga ny vahoaka ho sarotiny amin’ny fiarovana ny fananana iombonana. Tsy vitan’ny teny tsara lahatra “ambony vavahady” toy ny fanaon’ny fitondrana Rajoelina hatrizay izany. Manomeza aloha môdely tsara hita mivaingana, tsy eo amin’io resaka io fotsiny io ihany fa amin’ny sehatra maro samihafa mihitsy.