16:00 > Fiaraha-miasa CUA sy AIMF (Francophonie) ho an’ny toeram-pitsaboana (CSB) ao amin’ny boriboritany I-II-III sy IV

Vola mitentina 100 000 euros na 400 000 Tapitrisa Ar eo no azon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) avy amin’ny AIMF na ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Francophonie hanatanterahana fandrindram-piainam-pianakaviana eto an-drenivohitra. Nanao AMI na Appel à Manifestation d’Intérêt ny AIMF mahakasika an’izany tamin’ireo tanàn-dehibe maro eto amin’izao tontolo izao, ka nahazo izany tetikasa ny CUA rehefa natao ny fifantenana taty Afrika. Manatanteraka atrikasa ho famoahana izany vola izany ankehitriny etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny iraka avy amin’ny AIMF, amin’ny alalan’ny fiadidian’ny tanànan’i Paris any Frantsa, ahitana delegasiona avy amin’ny renivohitra Frantsay, nirahan’ny ben’ny tanànan’i Paris Anne Hidalgo. Hahazo izao tetikasa amin’ny fandrindram-piainam-pianakaviana avy amin’ny AIMF sy ny tanànan’i Paris izao ny ny vehivavy amin’ny faritra iva amin’ny Boriboritany 4 eto Antananarivo Renivohitra dia ny ao amin’ny Boriboritany faha-4, faha-2, faha-3 ary ny Boriboritany voalohany, hitantana izany ireo toeram-pitsaboana na CSB II an’ny CUA amin’ireo Boriboritany ireo. Misy ny fandraisan’anjaran’ny CUA amin’ny tetibola amin’io tetikasa io dia ny 20%-n’izany, ny ambiny kosa dia avy amin’ny AIMF sy ny tanànan’i Paris. Ankoatra ny fanaovana atrikasa miaraka amin’ny tompon’andraikitra ny CUA misahana ny raharaha sosialy sy ny fahasalamana na ny DAS sy ny BMH, misy ny fidinana ifotony amin’ireo toerana iva ataon’ireo delegasiona avy any ivelany ireto, izay ahitana an-dRamatoa isany Anaïs Mit tompon’andraikitra ara-diplaomatika ho an’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana ao amin’ny tanànan’i Paris; Valérie Ledour misahana ny fiaroavana ny reny sy ny zaza ao amin’ny tanànan’i Paris, ary Christine Mauget, avy amin’ny hetsika Frantsay momba ny fandrindram-piainam-pianakaviana.