Antananarivo, Ivato, Antsirabe,… – Ho tazonin’ny antoko TIM sy ny mpanohitra mafy

Andry Tsiavalona

Na dia efa ny lalàna mihitsy aza no mandrara ny tsy hanaovana fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra dia mbola ny 27 novambra 2019 indray, no ho tanterahina ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly. Nasondrotra avo roa heny ihany koa ny antoka ho an’ny kandidà rehetra izay mampanontany tena ny maro, tsy manambola tokoa, angamba, ny rafitra mpikarakara ny fifidianana sa tetika hoentina hanilihana kandidà fotsiny ihany. Efa zatra miantehitra amin’ireo vondrona iraisam-pirenena ihany ny fitondrana eo amin’ny raharaham-pifidianana tahaka izao, ka asa raha mbola ho velarina indray ilay « basket funds » na ahoana.

Mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny lisi-pifidianana izay tena anisan’ny nampihena ny mpifidy satria tsy ireo tsy tonga ihany no nahatonga izany fa teo koa ireo nifidy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena kanefa dia tsy tao anaty lisitra intsony tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Toa nararaotina ny fahalainan’ny olona hanamarina ny anarany tao anaty lisitra kanefa toa tany amin’ny fokontany mihitsy no nanao hadisoana, fa tsy ny nampiditra ny anarana tao amin’ny solosaina. Toa efa manao ezaka, hono, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fifidianana CENI amin’ny fanarenana ny lisitra, ka ho hita eo indray izay ho vokatr’izany. Teo ankilany koa ny tsy nampavitrika ny olompirenena hifidy dia noho ny halabato tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny vola desambra 2018. Azo inoana fa raha tatsy Afrika no nisy toe-draharaha toy ireny niseho teto Madagasikara ireny dia ho gidragidra tsy nisy fiafarany. Saingy soa ihany fa hendry ny mpifaninana, ka tsy naka sarotra fa nanaiky na « nandefitra nanana ny marina » araka ny fahendrena malagasy.

Efa tapaka fa ny 27 novambra 2019 no hatao ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina monisipaly. Toa niandry an’io daty io mihitsy ny teny amin’ny Antenimierampirenena vao niroso tamin’ny fandaniana ilay tolodalàna momba ny mpanohitra. Efa nomen’ny tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany taratasy ofisialy amin’ny maha mpanohitra azy koa Ravalomanana Marc. Niaraha-niaina mantsy ny resaka nandeha fa mety hirotsaka kandidà ho ben’ny tanàna Ravalomanana Marc talohan’ny nifidianan’ny “Rodoben’ny mpamohitra” ho lehiben’ny mpanohitra azy sy ny nanoloran’ny vondrona parlemantera Tim ny anarany teny amin’ny Antenimierampirenena ho amin’izany toerana izany.

Tsapa araka izany fa fanosehana an-dRavalomanana Marc hirotsaka kandidà ben’ny tanàna no anisan’ny antony nandaniana maimaika iny tolodalàna iny. Tahotra ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc avokoa no antony hitadiavana izao tetika maloto rehetra izao mba tsy hananany sehatra hahazoany manitsy amin’ny fomba ara-dalàna ny lalan-diso hizoran’ny mpitondra. Raha ben’ny tanàna tokoa mantsy izy dia ho sahala amin’izao ataon’ny mpitondra amin’ny ben’ny tanàna ankehitriny, Ravalomanana Lalao, izao no hataon’ny mpitondra. Ny tena loza aza dia hitady hirika hangalaram-bato indray dia hatao, angamba, mety mbola hanaiky ilay didy tsy azo ivalozana izy.

Na izany na tsy izany dia misy tanàna maromaro tsy havelan’ny antoko Tim hanjakan’ny antoko hafa, ka handrotsaka kandidà any amin’ireny tanàna ireny izy, anisan’izany, Antananarivo Renivohitra, Ivato sy Antsirabe, sy ny maro hafa manerana ny Nosy… Raha iretsy tanàna 3 voalohany voalaza dia tokontanin’ny antoko TIM ireo tanàna 3 ireo: Antananarivo renivohitr’i Madagasikara, ben’ny tanàna avy amin’ny TIM no mitondra ankehitriny, ary azo lazaina ho nandresy aloha hatreto ity antoko natsangan’ny Filoha Marc Ravalomanana ity hatreto tamin’ireo fifidianana efa vita tamin’ny taona 2018 sy tamin’ity taona ity. Ivato, vavahadin’i Madagasikara dia ben’ny tanàna TIM koa no mitondra ary nahavita zavatra maro izy ka heverina fa sarotra no handresy azy. Antsirabe, depiote TIM no voafidy ao, midika fa tokony ho ben’ny tanàna TIM ihany koa no ho lany amin’ny 27 novambra, ny kandidà voalaza fa hirotsaka ao koa dia manana ny maha-izy azy satria zanak’Antsirabe, sady manana ny maha-izy azy koa eo amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny politika dia Guy Rivo Randrianarisoa.

Ankoatra ireo anefa, tanàna maro manerana an’i Madagasikara ihany koa ankehitriny no mbola ben’ny tanàna TIM ny ankabeazany, ary ny filazana ankehitriny fa hiara-dia ny TIM sy ny mpanohitra RMDM amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy io dia tokony hampitombo ny ben’ny tanàna ho voafidy miara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Fifidianana ho an’ny rafitra fototra eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny kaominina ka tomponandraikitra ny mponina, olompirenena, tsirairay mipetraka ao amin’ny tanàna ka mendrika ho azy izay olona voafidy, na hifidy izy na tsia.

Ny voany no hahafantarana ny hazo ka, angamba, tsy hisy hiantsampy amin’ny hazo tsy fantatra.