QG TIM.K25 Belera – Filoha nasionaly Marc Ravalomanana manome hafatra ny Depiote faritany Toamasina

Hisy ny fampiofanana ny kandida ho solombavambahoaka mba tsy hivaona araka ny lalàna ny zavatra ataony mandritra ny fampielezan-kevitra. Ary rehefa lany izy ireo dia hisy indray ny fampiofanana mba hahavita ny iraka ampanaovana azy.

Ny tanjona dia ny fametrahana ny demokrasia eto Madagasikara, fametrahana ny tena hevitra fonosin’ny antoko politika, ho matihanina ary hanaraka ny fitsipika ifampifehezana ny mpanao politika.