Fikitihana Lalampanorenana, fibodoana seza hataon’ny mpitondra

Tsy misy ny tonga lafatra raha mbola eto amin’ity tany ity , iarahan’ny rehetra manaiky izany . Raha ny Lalampanorenana no resahana dia fantatsika tsara fa hatramin’ny taona 2009 izay nanalana amboletra ny Filoha Marc Ravalomanana dia nisy Lalampanorenana ary izay no maha Repoblika ny Repoblika . Rehefa tonga anefa ny tetezamita notarihan-dRajoelina dia natao sesimototra ny fanaovana Fitsapan-kevi-bahoaka ka ny Eny no noezahana nolaniana , dia io Lalampanorenana iainana ankehitriny io . Tsiahivina fa tsy neken’ny sehatra Iraisam-pirenena ny fanaovana Referendum tamin’izany saingy taty aoriana dia nampandeferina ny hambompo satria ny tombontsoam-pirenena no nobanjinina sady efa reraka rahateo ilay vahoaka , teo koa ny Tondrozotra izay mbola ampiharina hatramin’izao na modian’ny fitondrana ankehitriny tsy fantatra aza ny andininy sasantsasany . Mitombina rahateo ny tsy faneken’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’izany satria olona sy antokon’olona nokilasian’izao tontolo izao ho mpanongam-pajakana no mody manontany ny hevi-bahoaka hametraka Lalampanorenana, izay nisy ny mpifidy tamin’izany nantsa-bato tamin’ny karnem-pokontany. Fa ny tiana hahatongavana sy hisarihana ny saintsika dia izao : Ny Filoha ankehitriny dia niasa tao anatin’izany Lalampanorenana izany satria Ministry ny Vola izay midika fa matoa ianao nanaiky nanao Ministry ny vola tao anatin’ny fitondran’i Rajoelina dia ekenao izany ny Lalampanorenana izay napetraky ny Tetezamita . Ankehitriny anefa dia mandeha ny eritreritry ny mpitondra  ary ao anatin’izany ny Fiadidiana ny Repoblika  fa ho kitihana ity Lalampanorenana ity izay ry zareo ihany hoy isika no nampandany azy sady mbola betsaka tamin’ny olon-dRajoelina rahateo no ao anatin’io fitondrana io. Andeha atao hoe tsy fahotana eto amin’ny firenena ny manova na mikitika andininy ao anaty Lalampanorenana saingy amin’ny maha lalàna fototra azy dia tokony vao nandray ny...

Ny nambolena tsy naniry, ny nasosoka maty maso

Manao zavatra tokoa, angamba, tsy mora satria dia telo taona be izao no niketrehana ny fanafoanana ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Ny hevitra koa, angamba, tsy azo tsy amin’olombelona ka raha fandriampahalemana no resahina dia aman-jatony ny jeneraly  vao mahita ny tetikady mahomby. Nilaina ihany koa ny fidinana ifotony nahafantarana ny zava-misy sy nangalana ny hevitry ny mponina ary ho fampandraisana andraikitra azy iatrehina ny ady amin’ity tsy fandriampahalemana ity. Tsy misy afaka mandà fa isika gasy ihany no mifamono sy mifanafika ary mifampitsetsitra eto. Raha ny zavatra iainana amin’izao fotoana izao anefa  dia tsy manana hery sy fitaovana entina miaro ny tenany sy ny fananany ny Malagasy. Ny miaramila sy ny polisy ary ny zandary ihany no manana ny fitaovana manara-penitra entina manohitra ny dahalo sy ny jiolahy. Porofon’izany ireny firodorodon’izy ireo amina fiara vaventy maro sy fiara tsy mataho-dàlana sady mirongo fitaovam-piadiana rehefa misy politisiana voasokajy ho mpanohitra, mikasa hidina an-dalambe. Torak’izany koa ny delestazy : raha nolazaina fa telo volana na enim-bolana fara-fahatarany dia efa telo taona mahery koa izao nefa mbola mitaraina ihany ny vahoaka.Tsy misy andraikitra azon’ny olompirenena raisina ankoatry ny fanehoana ny fahatezerana sy fitakiana vahaolana. Nesorina tamin’ny toerany efa ho in-telo izao ny minisitra ny angôvo fa tsy mbola voavaha ity toe-javatra ity. Raha fintinina dia efa hatrany am-boalohany no tsy nanana programa mazava niatrehana izany ny mpitondra amin’izao Repoblika IV izao fa nitsapatsapa sy nanandrakandrana fotsiny. Tsy manana vahaola enti-miatrika ireo toe-draharaha roa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainany an-davanandro ireo ny vahoaka ka tsy tokony hitakiana izany. Efa manakaiky tokoa ny fifidianana ka midera tena ho manao zavatra izao fitondrana izao, hatao...

Tsy hitera-bokatsoa ho an’ny Firenena raha mbola mifono kajikajy politika

Taorian’ny resaka nifanaovan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety tany Londres ny herinandro lasa teo momba ny mety hanovana ny lalàmpanorenana eto Madagasikara dia lasa nipoitra indray ireo politisiana efa nivoy ity fotokevitra ity tato ho ato. Mazava ho azy fa raha vao hikitika lalàmpanorenana dia tsy maintsy fitsapankevi-bahoaka no ho tanterahina ka izay iray halehany na mialohan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izany na aoriany. Ny lojika indrindra anefa dia mialohan’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika izany satria tsy maintsy hifanaraka amin’izany ny lalàna mifehy ny fifidianana azy. Ara-dalàna ihany koa ny tsy maintsy hananganana rafitra toy ny « Assemblée Constituante » hamolavola izay ho lalàmpanorenana. Ny tsapa sy iainana aloha hatramin’izao dia tsy nitondra fivoarana azo tsapain-tànana ho an’ny vahoaka malagasy sy fampandrosoana loatra ny Firenena teo amin’ny sehatra rehetra izay lalàmpanorenana nifandimby tao anatin’ny Repoblika IV. Tsy azo hodian-tsy hita kosa anefa fa raha ny zava-nisy sy niainana ary raha nahatapitra ny fepotoana niasany ny filoham-pirenen’ny Repoblika III-3 dia efa nivoatra be ny fiainam-pirenena. Porofon’izany dia vao naongana teo amin’ny fitondrana izy dia aman’hetsiny ny very asa satria nisintaka ny Agoa, tsy nisy intsony ny fanorenana orinasa vaovao  izay afaka namorona asa hany ka mitombo izay tsy izy ny tanora tsy manana asa ankehitriny. Raha nitohy ihany koa ny famolavolana ka nampiharina ny programam-pirenena momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanapariahana fitantanana ny asam-panjakana (Programme National de la Décentralisation et de la Déconcentration) dia ho foana ny fivangongoan’ny fahefana eto an-drenivohitra izay mampitaraina ny avy any amin’ny faritra izay mahatsiaro ho tany lavitr’andriana anjakan’ny toka-maso.  Raha nizotra araka ny naminavinana azy ny « tohizo ny làlan-tsika » dia tsy ho tohy izao ny...

Be sahady no miahiahy ny mpitondra amin’ny fanomanana fifidianana

Saika efa mirona any amin’ny fiatrehana ny fifidianana avokoa ny resaky ny maro amin’izao fotoana, indrindra taorian’ny nahatafatsangana ny FFM na ny filan-kevitry ny fampihavanam-pirenena farany teo. Tombanan’ny maro fa tsy tena hahaleotena ara-potokevitra amin’ny tokony ho ataony ity rafitra ity, fa mety ho rafitra politikan’ny mpitondra fotsiny ihany, hikendrena fikambanana na antoko politika na olona mihitsy aza tsy ho afa-milatsaka ho fidiana. Tombanan’ny maro araka izany fa ny fanapahan-kevitr’ity rafitra ity no hampilamina na hampikorontana ny firenena mialohan’ny fifidianana na mandritra ary ny aorian’ny fifidianana. Etsy andaniny dia efa maro ihany koa no manombana fa mbola resaka hafa ihany koa ny momba ny lazaina fa fahaleovantenan’ny CENI, izay hikarakara ny fifidianana satria voalaza fa tsy manam-bola hiatrehana ny fifidianana ity rafitra ity fa mbola hiantehitra amin’ny fanjakana foibe ka tsy ho azo antoka araka izany ny fanatontosany ny fifidianana. Etsy andaniny dia mandeha ny resaka amin’ny mety hikitihan’ny fitondram-panjakana lalam-panorenana mialoha ny fifiddianana izay tombanana sy mety hampitombona ihany koa ny ahiahin’ny maro ny hanemorana ny fifidianana tsy ho amin’ny 2018 io, araka ny tsaho efa niely tato ho ato izay. Na izany na tsy izany dia tsikaritra ho tsy laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra fanjakana ny famahana ny olan’ny vahoaka maro an’isa, dia ny sondrobidim-pianinana sy ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara izany. Sasatry ny mampahatsiahy fotsiny ireo fepetra sy lalàna isan-karazany amin’ny haino aman-jery ny tompon’andraikitra fa tsy misy fandrasian’andraikitra matotra sy mazava mifanaraka amin’izany. Tombanan’ny maro araka izany fa fombafomba ihany ny fihetsiketsehana ataon’ny mpitondra fa ny kolikoly any ambadika any, izay mitarika ireny olana isan-karazany ireny mbola tsy foin’ny mpitondra ka tsy mahafoana n’inona n’inona....

Fifamoivoizana : Efa lasa kolontsain’ny gasy ny gaboraraka

Ilaina ny fahafantarana ireo voakasik’ity resaka fifamoivoizana ity no fakafakaina. Tsy ny fiara ihany mantsy no mifanaretsaka fa eo koa ny olona izay samy manana ny ataony ka mifamezivezy eny an-dàlambe rehetra eny. Raha ny eto Antananarivo Renivohitra manokana no jerena dia maro ny fifanoherana mitranga ka tsy fantatra intsony izay manana ny rariny sy ny hitsiny ary tsy hay intsony koa, iza marina no tsy te-hanara-dalàna, sa misy tokoa ny didy jadona apetraky ny fiadidiana ny tanàna. Ny zava-misy iainan’ny mponina an-davanandro dia azo itarafana fa toa tsy misy lalàna mifehy ny fifamoivoizana intsony eto amin’ity Renivohitra ity. Samy manana ny toerana na faritra tsy maintsy diaviny na iantsonany na hamelarany entam-barotra anefa na ny olona na ny fiara na ny mpivarotra. Raha jerena ny any amin’ireo tanàn-dehibe rehetra manerana an’izao tontolo izao dia milamina sy mirindra tsara izany fifamoivoizana izany. Ny eto Madagasikara kosa dia efa lasa kolontsain’ny gasy ny tsy fanajàn-dalàna ka raha vao misy lalàna apetraka hampiharina ho fandaminana dia tsy maintsy misy hatrany ny mijoro hanohitra izany. Raha ny marina dia ny manampahefana ambony eto amin’ny firenena no modely halain-tahaka kanefa dia ny mpitondra mihitsy no tsy mampihatra ny lalàna izay izy ihany no mamolavola azy ireny. Porofo iray tsy azo hamaivanina ny resaka Lalàmpanorenana izay hodian’ny manampahefana tsy hita na dikainy mihitsy ireo andininy sasantsasany izay manohintontohina ny fahefany na hiteraka fanozongozonana ny sezany sy hanapaka ny fahazoany tombontsoa. Ny mponina kosa izay mizara ho saranga vitsivitsy, an-kilany, dia mihevitra mandrakariva fa manana ny zony izay tsy azo tohintohinina. Voalohany amin’izany ny mpivarotra amoron-dàlana izay tsy miraharaha ny hafa ka miketrika ny hevitra...

Tsikera tsy am-piheverana no ataon’ny sasany ny CUA

Asa na inona no fiheveran’ny sasany ity Antananarivo ity fa atao foana ny karazana tsikera mivaralila miantefa amin’ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra . Tsy misy milaza mihitsy hoe aza mitsikera satria ny tsikera dia mampandroso . Fa ny tsikera tiana resahana eto dia ilay atao tsy ampiheverana fa atosiky ny fankahalana sy fialonana miampy fahambanian-tsaina ka na ireo  sokajiana miteny tsikera tsy ampiheverana aza dia toa tsy mahatsapa akory ny zavatra izay lazainy .Tokony ho tsapan’izy ireny fa raha atao ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo sy ny fandraisana fanapahankevitra izay manaraka tsara ny lalàna dia ho tombotsoan’ny rehetra . Diso hevitra ny sasany fa raha diovina ny tanàna , alamina ny tsena , esorina ny mpivarotra amoron-dalana , atsangana ny fotodrafitr’asa toy ny etsy amin’ny Esplanade , atao hentitra kokoa ny resaka contre visite satria mikirakira fitateram-bahoaka sy ain’olona  , omena aina ny fiarahamiasa amin’ny tsy miankina sy ny maro tsy voatanisa dia ho tombontsoan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, na ny Tim, na izay nifidy azy izany, fa ho tombotsoan’ny rehetra izany rehetra izany ka tafiditra ao anatiny ianareo mpanenjik’aloka ireo . Ny zavatra tsy ambara ihany koa dia izao : rehefa mitsikera dia mba zavatra marim-pototra no tenenina , zavatra voamarina , zavatra voalanjalanja sy misy ventin-kevitra ary maharesy lahatra . Ny tsapa tato ho ato ny mifanohitra amin’izany no ataon’ireo olom-bitsy tsy misy atao fa manenjika ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra . Efa nomena ny fanazavana fa tsy namidy amin’ny Karana izany ny Esplanade eo Analakely dia mbola mamafy lainga ihany ny sasany satria ny famafazana lainga no heveriny fa hampihemotra ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ....