Toa i Ahmad mihitsy no nampikorosy ny baolina kitra Malagasy

Tsara ny vokatra ho an’ny Barea nandritra ny lalao natao tany Mozambika ny faran’ny herinandro teo  nifanandrinany tamin’ny Mozambikanina ; 2 no ho 0 no nisarahana ; lalao izay tafiditra amin’ny fiadian-toerana  amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra 2018 hatao any Kenya na ny CHAN 2018 (Championnat d’Afrique des Nations). Ekipam-pirenena ahitana ireo mpilalao eo an-toerana ihany fa tsy misy mpila ravinahitra no mifanandrina amin’ny fifaninanana CHAN. Efa tao anatin’ny fotoana maro izay no tsy nahazo vokatra toy izao ny Barea indrindra moa izany hoe nandresy 2 no ho 0 any antanin’olona izany,  izay midika avy hatrany fa mahavita zavatra tsara ny mpilalao Malagasy rehefa mety ny fitantanana sy ny fikarakarana izay midika fa  tsy ny mpilalao Malagasy akory no tsy mahay. Nandritra ny naha Filohan’ny Federasionina Malagasy ny Baolina kitra an’i Ahmad mantsy dia nahalana ny fahombiazana toy izao . Tsy tongatonga ho azy rahateo ny fanakianana tamin’izany fotoana izany fa niarahana nahita ny firefarefan’ny baolina kitra Malagasy . Ny ankamaroan’ny mpanaraka sy mpankafy baolina kitra eto Madagasikara dia samy nilaza fa niteraka rivo-baovao teo amin’ny baolina kitra Malagasy ny nampiova ny Filohan’ny Federasiona. Tsy mora ny fanarenana ity taranja ity saingy tsy atao hahakivy ny sakantsakana isan-karazany satria ny hamaha olana no antom-pisian’ny mpitantana. Raha ny tantaran’ny baolina kitra teto Madagasikara ohatra  dia efa nisy ny vanim-potoana nampamiratra izany taranja izany. Tamin’ny andron’ilay mpanazatra alemà Peter Schnittger dia azo lazaina fa namiratra taty Afrika ny Club M, izay lasa Barea amin’izao fotoana. Nalaza ihany koa ohatra izany Ntsoa mpanazatra ny Bfv izany, izay lasa nanazatra ny ekipam-pirenena niaraka tamin-dry Jeremy ka nampangovitra ny Afrikanina....

Midoka tena toy ny papelika ny mpitondra nefa tsy mahavaha olana

Tsikaritra ankehitriny fa manao izay fomba rehetra hanasongadinana izay heveriny fa zava-bitany sy izay zavatra  ataony ny mpitondra fanjakana ankehitriny na betsaka na kely. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy tokony handoka tena izy ireo satria raha ny fisainana Malagasy dia tsy tsara ny mandoka tena ka itenenana toy ny  hoe : Izaho no tena dadany. Tsy hitanareo angaha ny zava-bitanay ; ny jamba ihany no tsy mahatsapa ny asa sy ny ezaka ataon’ny fanjakana. Mahavita zavatra izahay toy izao tetezana izao sy ny maro tsy voatanisa . Tsy fantatry ny sasany angamba ilay fiteny mirakitra Fahendrena Malagasy  manao hoe : Ny soa atao levenam-bola. Fantatry ny olona foana ny soa sy ny tsara ataonao fa tsy ilana mpandoka . Matoa ny maro tsy mandoka ny mpitondra ankehitriny dia ny fahasahiranana iainany isan’andro aloha  no mbola hitany sy tsapany, izay tsy voavahan’ny mpitondra mihitsy, izany anefa no tena ilain’ny vahoaka ny fanatsarana ny any am-bilany fa tsy zava-bita kely etsy sy eroa, tsy misy fiantraikany akory aminy mivantana. Ilay mpitondra ankehitriny tokoa toy ny papelika ka midoka tena fotsiny, nefa tsy misy hapoka mihitsy amin’ny fitantanam-pirenena, ny tsy fandriampahalemana tsy voavaha, ny kolikoly manjaka amin’ny sehatra rehetra, ny tanin’ny vahoaka omen any vahiny,… sa ahoana hoy ianao ?   Rina...

Tsy hisy hametra-pialàna na hanaiky hoesorina…

Na inona na inona resaka manodidina ny fametraham-pialàn’ny minisitry ny vola sy ny tetibola farany teo dia azo lazaina fa fahasahiana goavana no nataony. Tsy asiana resaka betsaka ny antony nanemorany ny fanambarany satria izay iray alehany na nisy famendrofendroana na fanambatambazana tao. Raha atao jery todika ny fanendrena na ny fanesorana na ny famindran-toerana mpikambana tao amin’ny governemanta nandritra izay telo taona mahery nijoroan’ny Repoblika IV izay dia azo inoana fa nisy tsy fitoviam-pijery na tsy fifandrifian’ny fomba fiasa tao. Na ny fanesorana ireo praiminisitra roa teo aloha koa aza dia torak’izany ihany. Nampanantena ny filohan’ny Repoblika IV tamin’ny kabary nataony ny 25 Janoary 2014 nandraisany ny toerana fa telo volana na enim-bolana raha ela dia ho foana ny delestazy. Tsy fantatra na avy aiza na avy aiza, na avy amin’iza na avy amin’iza, no nahazoany toky ka nahasahiany nanambara izany fa voalohany voadaka tao amin’ny governemanta Kolo Roger ny minisitry ny angôvo. Azo lazaina fa tsy nahalala na inona na inona momba ny tontolo manodidina izany famatsiana herinaratra izany ny filohan’ny Repoblika ka nijabaka. Araka izany, tomponandraikitra voalohany izy ka afaka nanetry tena ka miaiky ny fahalemeny eo amin’ity sehatra ity, fara- faharatsiny, teo anatrehan’ny “vahoaka” nifidy azy satria hitam-poko hitam-pirenena hatramin’izao fa tsy mbola mivaha ny olana ka fanilihana andraikitra amin’ny hafa fotsiny ny nanesorana ny minisitra tamin’izany fotoana izany. Anisan’ny laharam-pamehana nambaran’ny filohan’ny Repoblika IV ihany koa ny ady amin’ny asan-dahalo sy jiolahy ka mba nanana ny paikadiny noheveriny fa nahomby ihany koa ny praiminisitra, ny dokotera Kolo Roger, ka fitsaboana ny “fo” no narosony ka niova fo tokoa, hono, ny dahalo aman-jatony ary nampitafiana...

Mametra-pialana dieny izao no mety amin’ity fitondrana ity

Tsy misy raha azo antenaina amin’ity fitondrana ankehitriny ity intsony ny ho avin’i Madagasikara. Mihodinkodina amin’io ny resaky ny mponina any amin’iny distrikan’i Fort Dauphin iny. Nandritra izay nitondran’ny filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, sy ny lehiben’ny governemanta, Mahafaly Olivier amin’izao fotoana, mivaralila ambony ambany ny fiainam-pirenena. Manaporofo izany ireo tranga mamoa-tsampona isan-karazany hita. Mipoitra avokoa izao zava-doza tsy fahita izao. Lasa varoboban’ny sinoa sy ireo teratany vahiny hafa ny tanin-dramalagasy, ny tsy fisian’ny mangarahara, ny fanitsakitsahana ny lalàna fototra, ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe (asan-jiolahy) sy ambanivolo (asan-dahalo). Ireo lazaina fa tandroka aron’ny vozona, mamoa-tsampona, ny fanodinkodinana fananam-pirenena sy volam-panjakana sy ny maro hafa. Vao mainka nanampy trotraka ny fametraham-pialan’ny ministry ny vola. Tsy tongatonga ho azy ny fanapahan-kevitry ny ministra teo aloha ity fa misy antony. Tsy tenenina intsony ny teritery sy ny ramatahora fanapenam-bava ataon’ity fitondrana ity amin’ny mpanao gazety. Tsy atao ambany maso tsy hita ny fisian’ireo haino amanjery tsy miankina manohana ny fitondrana saika feno azy ny faritra sy ny distrika. Ny fanehoana ireo hevitra ireo no mahazo laka ao Fort-Dauphin ao. Ireo minia manakimpy ny masony sy mifikitra amin’ny hazo boboka ihany no mbola sondriana manajary toerana sitrany ahay. Ny manaitra, nisy tamin’ireo ben’ny tanàna mpomba ity fitondrana ity no sahy nilaza fa efa tsy atokisana intsony ny HVM milaza azy ho lohalaharana. Misy amin’ireo no efa menatra sahady antsoina hoe HVM. Nilaza ireo mpanao politika fa hatramin’izao, tsy mbola hita ny asa fampandrosoana mivaingana. Tsara amin’ity fitondrana ity hoy ireo mpaneho hevitra ny mametra-pialana dieny izao. Tokony hahatsapa tena ihany koa manoloana ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana misy ankehitriny.  ...

Mpitondra fanjakana : Mamorovoro tena toy ny tadio

Tsy sinemà intsony no ataon’ny mpiantsehatra ara-pôlitika amin’ny fitantanana ny Firenena amin’izao Repoblika IV izao fa sangodim-panina izay tsy hifarana raha tsy amin’ny fidaraboan’ny mpandray anjara rehetra rehefa tsy zakan’ny atidoha intsony izay haterany. Ny tena loza dia tian’ny mpitondra handray anjara amin’izany sangodim-panina ataony izany koa ny mpiray firenena ka misy tokoa ny mirotsaka an-tsehatra tsy te-hahalala izay mety ho fiantraikan’ izany eo amin’ny ho aviny. Maro an’isa amin’izany ireo manampahefana isan’ambaratonga ao amin’ny fitondrana ka mirotsaka amin’ny asa mamoafady sy mambotry firenena ary manampatra fahefana. Tany am-boalohany dia nisangodina samy irery ny filohan’ny Repoblika IV ka nihevitra fa ho voavahany tao anatin’ny indray mipimaso avokoa ireo olana rehetra nihàtra tamin’ny vahoaka nateraky ny tetezamita izay niarahany nitantana ka noheveriny fa ny fanilihana ireo niaradia taminy sy fampidirana olon-kafa noheveriny naharaka azy amin’izany no nosintoniny. Tsapa anefa fa voahilika tsikelikely ireo sady nitsirepirepy no tsy nahita izay làlan-kombana intsony. Ireo manodidina akaiky kosa, nahita fa tena efa fanina tanteraka sy nalemy ny mpitarika dia nanararaotra ny toe-draharaha ka nody fanina fotsiny ary nandrombaka izay azony norombahana rehetra. Nitazana sady niezaka namingana kosa tetsy an-kilany ireo nahita fa efa tsy ho tafavoaka tao anatin’ilay sarika intsony ireo tafiditra tao. Ny miaramila sy zandary ary polisy dia tsy nanan-katao afa tsy ny niaro ireo mpitondra tafara-dàlana ka nisambotra sy nanao ramatahora ireo olom-pirenena tsara sitrapo ka nampitandrina sy nanolo-kevitra nivoahana tamin’ny fibolisarana. Nivembena eo am-pijerena ny ataon’ny mpitondra azy ny vahoaka  ka ny sasany, noho ny fahantrana sy tsy fanana dia lasa mandroba sy mandatsaka ny ain’ny mpiarabelona aminy mba hahazoana izay hakepoka androany fotsiny. Variana mihodinkodina anefa ny manampahefana...

Tsy azo afenina intsony ny tsy fandehanan-drahara eto amin’ny firenena

Na inona na inona fanazavana ho entin’ny mpitondra fanjakana dia tsy azo afenina intsony ny tsy fandehanan-draharaha eo amin’ny fitantanana ny Firenena amin’izao fotoana izao, izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-bahoaka . Niala ny Ministry ny fitantanam-bola sy ny tetibola satria tsapany fa mandeha any amin’ny tsy izy ny Politika itantanana ny Firenena . Tsara mantsy ny mametraka mazava tsara fa tsy mitovy ny atao hoe nametram-pialana sy ny hoe nohesorina. Ny tena tiana hasongadina dia ny fahatsapan-tena sy ny fahasahian’ny Ministra Gervais Rakotoarimanana nametraka ny fialany . Ny mahazatra mantsy dia miandry hoesorina ny sasany vao miala satria zara aza nahazo toerana . Maro no milaza fa mbola misy Ministra ankehitriny tokony hahatsiaro tena fa tsy mamokatra ka mametraka ny fialany ; ao koa anefa no mihevitra fa tokony ho ny Governemanta iray manontolo mihitsy no miala noho ny tsy fahombiazany . Tsara ny mampahatsiahy fa ny Ministra Gervais Rakotoarimanana dia tena akaiky ny Filoha Hery Rajaonarimampianina satria samy tany Canada tany tamin’ny fotoan’androny saingy tsy maha mpinamana ny raharaham-pirenena. Raha toa ka Ministra amin’ny Ministera hafa no nametram-pialana dia mety tsy dia nahabe resaka ny maro saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia ny Ministry ny vola no niala, izay midika avy hatrany fa misy krizy eto Madagasikara. Miha- marefo ny fitondrana . Tsy vitsy ny olom-pirenena milaza fa iza indray no Ministra mahatsapa tena fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena ka hiala . Ny tany Frantsa ohatra raha narahantsika tsara ny vaovao dia efa nitana ny andraikitry ny Ministra i Emmanuel Macron tany aloha tany saingy niala izy . Raha ny fijery azy...