Nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ny Masoivohon’ny Fanjakana Britanika ny SEM Philip BOYLE

Nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny Alakamisy 18 Janoary 2018 ny Masoivohon’ny Fanjakana Britanika ny Son Excellence Philip BOYLE. Fantatra fa 2 volana izay no nahatongavan’ity Ambasadaoro Britanika ity teto Madagasikara ka nandritra izany no efa nitsidihany ny tomponandraikitra eto amin’ny Firenena Malagasy ka anisan’ny ny Ben’ny Tananan’Antananarivo satria Antananarivo rahateo no misy ny Masoivoho Britanika. Na ity Ambasadaoro ity na ny Ben’ny Tananan’Iarivo Lalao Ravalomanana dia samy nijery ny fomba hampivelarana ny fiarahamiasa sy izay heverina fa laharam-pahamehana. Fantatra fa sehatra maro no efa hiarahan’ny Fanjakana Britanika miasa amin’ny Firenena Malagasy ka anisan’ny misongadina amin’izany ny tontolon’ny varotra, ny fampiasam-bola amin’ny sehatra maro sy ny Programam-piarahamiasa isantsokajiny, eo koa ny tontolon’ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Nohamafisina fa ny Fanjakana Britanika dia manampy amin’ny alalan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena toy ny Vondrona Eropeana, Firenena Mikambana. Ny fisiako eto Madagasikara hoy ny Son Excellence Philip BOYLE Ambasadaoron’ny Fanjakana Britanika e dia manokatra misimisy kokoa ny fiarahamiasa eo amin’i Firenena Malagasy sy ny fireneny ka anisan’izany sy tsy ataony ambanin-javatra ny Tananan’Antananarivo Renivohitra amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy....

Après l’effervescence de samedi dernier à Savigny Le Temple, place aux actes…

Comme si c’était hier… Après l’effervescence de samedi dernier à Savigny Le Temple et après les discours successifs des représentants des membres de la diaspora, place maintenant à la préparation des prochaines échéances électorales, présidentielles et ligislatives. Si le Tim Frantsa (Paris, Bordeaux, Toulouse), Gtt Idf, IDMM, ACOREM, Herikerika Madagasikara, Malagasy Mandroso ou bien le TTMR ont tous adhéré au KMMR 2018 (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana 2018). Il est maintenant important de rassembler toutes les forces vives dont l’objectif est de propulser le président Ravalomanana à la magistrature suprême. Si dans son discours, « Dada » a laissé entendre que l’année 2018 est cruciale, il est aussi déterminé et lance le défi d’agir dès maintenant avant qu’il ne soit trop tard. Il s’est tout particulièrement adressé aux expatriés malagasy , « J’espère pouvoir affermir la conviction et la hardiesse de la diaspora à encourager le peuple Malagasy, à lui donner l’espérance de surpasser tous les obstacles et intimidation. J’ai besoin de vous et de votre soutien plein et entier pour me stimuler à aller de l’avant et à ne reculer devant rien ». Autrement dit, avançons vers un seul et même objectif, LE TEMPS EST AU RASSEMBLEMENT parce que Madagascar a aussi besoin de vous !  ...

Dans l'affaire Houcine Arfa, la ministre de la justice, Alexandrine Elise Rasolo a touché 70 000 € Vrai Faux Peut-être Ca ne regarde personne Ne se prononce pas VOTEZ View Results Poll total votes:...

Ministry ny Fitsarana : Ny antsipirian’ny fanambaran’i Houcine Arfa

Toy izao ny fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa momba ny ministry ny Fitsarana Rasolo Elise. Nandray vola 70000 euros tany amin’ilay gadra frantsay nitsoaka ny ministra hoy izy, toy izany koa ny talen’ny kabinetrany, ary ny lehiben’ny fampanoavana voalazany fa nomeny 30000 euros Français évadé à Madagascar : «J’ai versé 70 000 € à la ministre de la Justice» : Houcine Arfa, 53 ans, ex-conseiller du président de la République de Madagascar, J’ai versé 70 000 € à la ministre de la justice, 30 000 € au procureur en charge de mon dossier. -Le Parisien : Vous étiez incarcéré à Tsiafahy, la prison la plus sécurisée de Madagascar. Comment vous en êtes-vous échappé ? -Houcine Arfa : On ne sort pas d’un tel endroit sans complicités. Je l’assume : j’ai été aidé au plus haut niveau de l’Etat malgache. J’ai versé 70 000 € à la ministre de la justice, 30 000 € au procureur en charge de mon dossier.* Cela m’a permis d’être transféré dans un établissement plus souple, et d’être emmené à l’hôpital avec une escorte allégée. Là, mes gardes m’ont emmené jusqu’à la ville de Tamatave. Mais je sentais que le contrat ne serait pas rempli, et qu’on allait m’arrêter à nouveau. Une équipe à moi a pris le relais. J’ai embarqué dans une pirogue. Trois heures durant, à la boussole, nous avons ramé à travers les courants violents du canal du Mozambique, puis nous avons été transbordés en haute mer dans une pirogue motorisée, jusqu’à Mayotte où nous avons débarqué discrètement. -Pourquoi vous être soustrait à la justice malgache ? -Parce que si j’étais resté, j’allais mourir....

Alaotra : Mitaraina amin’ny fanafihan-dahalo matetika ny mponina ambanivohitra

Velon-taraina hatrany ny mponina ambanivohitra vokatry ny fanafihan-dahalo matetika izay arahana habibiana hatrany . Taorian’ny fangalana takalon’aina nataon’ireo jiolahy tany Anororo distrikan’ Amparafaravola sy ny famoanoana olona telo mianaka tao Sahamamy dia nitrangana fanafihan-dahalo ihany koa tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana distrikan’ Ambatondrazaka. Fantatra fa olona iray no notifirin’izy ireo nandritra izany. Mamely matetika mihitsy ny asan-dahalo ao avaratra Ambatondrazaka ao raha ny nambaran’ny mponina. Mandeha hatramin’ny fanakanan-dalana mihitsy hoy izy ireo ka lasibatra amin’izany ny mpiantsena mandeha vao maraina. Mitovy amin’izany ihany koa ny any amin’iny kaominina Ilafy iny, izay mbola tafiditra ao anatin’ny distrikan’ Ambatondrazaka ihany. Mateti-pihavy toa sotrokely ny asan-jiolahy izay hamoizana ain’olona na handratrana mihitsy indraindray. Ireo tanàna somary mitokatokana no tena hanjakan’izy ireo amin’izany hoy ny mponina. Nambaran’ireo mpitandro filaminana indray kosa fa misy hatrany ny olona ao an-tanàna no miray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy ireo. Raha vao misy olona mivarotra zavatra na vary ka misy mahalala dia efa lasibatra iny izay. Manao antso avo amin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana araka izany mba hiaraka hisalahy ka tsy hatahotra ny hanondro ireo olona izay mampiahiahy mba hahafahana mifehy ny resaka tsy fandriampahalemana. Raoul...